Mahita izany ny ratsy fanahy ka lotika, mihidy vazana ary hanin’ny fialonana: ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy.
Matio 8:12 - Baiboly Katolika fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. DIEM PROTESTANTA Ireo natao handova ny Fanjakàn’ny lanitra kosa dia horoahina any amin’ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo natao handova ny Fanjakàn’ny lanitra kosa dia horoahina any amin’ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify. Baiboly Protestanta Malagasy fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. Malagasy Bible fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. La Bible en Malgache fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. |
Mahita izany ny ratsy fanahy ka lotika, mihidy vazana ary hanin’ny fialonana: ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy.
ny mpanompoko hihira noho ny hafalian’ny fony, ianareo kosa hikiakiaka noho ny fahorian’ny fonareo; sy hidradradradra noho ny fangitakitaky ny fanahinareo;
ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
Noho izany dia lazaiko aminareo, fa hoesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra, ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy.
ka horoahiny izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.› »
Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify, rehefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra, fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany.
Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika, raha Izy nilaza tamin’i Abrahama hoe: Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana;
Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin’ny tadio, ka haizina mainty be no miandry azy.
Fa matoa tsy namindra fo tamin’ny Anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itanany azy ho amin’ny fitsarana;
onjan-dranomasina misamboaravoara, mandoa vorin’ny fahafaham-baràka ho azy; ary kintana mirenireny, fiandrin’ny haizim-pito mandrakizay.
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Ny dian’ny olo-masina hotandremany, fa ny ratsy fanahy kosa ho very any amin’ny maizina. Satria tsy ny hery no hahombiasan’ny olona.