Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 8:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ireo natao handova ny Fanjakàn’ny lanitra kosa dia horoahina any amin’ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ireo natao handova ny Fanjakàn’ny lanitra kosa dia horoahina any amin’ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:12
19 Rohy Ifampitohizana  

Mahita izany kosa ny olon-dratsy ka sosotra; hikitro-nify izy sady ho rera-po. Ho foana ireo fanirian’ny olon-dratsy.


Indro ny mpanompoko hihorakora-pifaliana noho ny hasambarana ao am-pony, fa ianareo kosa hiantsoantso noho ny alahelom-po sy hikiakiaka noho ny fanahy torotoro.


ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny olona miaina araka ny Fanjakàn’ny lanitra; ny tsimparifary dia ny olona andevozin’ilay Ratsy;


ka hanipy azy any anatin’ny memy mirehitra; dia any ireo no hitomany sy hikotro-nify.


ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any ireo no hitomany sy hikotro-nify.


Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakàn’Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [


Hosazîny mafy tokoa io mpanompo io ary hataony miombona anjara amin’ny mpihatsaravelatsihy; any izy no hitomany sy hikitro-nify.


Ary io mpanompo tsy misy ilana azy io, roahy any amin’ny haizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»


Any tokoa ianareo no hitomany sy hikitro-nify, rehefa hitanareo ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra ry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra; fa ianareo kosa voaroaka any ivelany.


Ho anareo ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany, ary iombonanareo anjara ilay fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo fony Izy niteny tamin’i Abrahama hoe: «Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.»


Izy ireo no Israelita: natsangan’Andriamanitra ho zanany ary nomena ny voninahiny, manana ireo fanekempihavanana sy ny lalàna mbamin’ny fombam-pivavahana sy ireo fampanantenana;


Ireo mpampianatra sandoka ireo dia loharano ritra, zavona avoivoin’ny tafio-drivotra, ka ny haizim-pito no voatahiry ho azy ireo.


Ireo anjely, fony nanota, dia tsy namindran’Andriamanitra fo, fa noroahiny ho any amin’ny toeran’ny maty ka natolony ho ao an-davaka maizina mangitsokitsoka izay itanana azy ho amin’ny fitsarana.


toy ny onjan-dranomasina misamboaravoara ka mamorivory henatra vokatry ny ataony; toy ny tain-kintana mirenireny, ka voatahiry mandrakizay ho an’ny haizina mangitsokitsoka.


Fa any ivelany kosa izay manana toe-panahy maharikoriko: dia ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sy mpandainga.


Tsinjoviny ny fiainan’ireo mpivavaka aminy, fa ny olon-dratsy kosa hovereziny any amin’ny haizina; satria tsy amin’ny herin’ny tenany no hahazoan’ny olona fandresena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra