Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 8:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-misakafo amin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-misakafo amin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra;

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:11
40 Rohy Ifampitohizana  

Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.


Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.


Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.


Tsy hiala amin’i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin’ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan’ilay tena tompony izay hankatoavin’ny firenena rehetra.


Hasaiko amin’ny sakafon-tsorona ny ory: hihinana anie izy ka ho voky! Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy ka ho finaritra ho ela velona!


Tsy nohadinoin’ny Tompo, ry terak’i Israely, ny naneho fitia sy toetra mahatoky tamintsika; ka dia hitan’ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany fa nandresy tokoa ilay Andriamanitsika.


Amin’izany andro izany ny solofon’i Jisay dia hatsangana ho fanevan’ny firenena rehetra; ka hitady azy ny firenen-kafa, ary hanjary be voninahitra ny fonenany.


Indreny izy fa tonga avy any lavitra, ny sasany avy any avaratra, ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina, ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»


Dia nitenenany aho ka nataony hoe: «Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao mba hampitraka ireo foko taranak’i Jakôba sy hampody ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely. Fa omeko ho fanazavana ho an’ny firenen-kafa koa ianao mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.»


Nahariharin’ny TOMPO teo imason’ny firenen-kafa rehetra ny hery maneho ny fahamasinany ka hahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.


Amin’izay dia hohajaina ny anaran’ny TOMPO hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany; hohajaina ny fanatrehany be voninahitra, rehefa ho avy Izy toy ny ranomaria asesiky ny tafio-drivotra goavana.


–TOMPO ô, Ianao no heriko sady mpiaro ahy, fialofako amin’ny androm-pahoriako. Hankany aminao ireo firenen-kafa avy any am-paran’ny tany sady ho loa-bolana hoe: «Tena fitaka ny fivavahana izay nolovanay tamin’ny razanay, fa tsinontsinona sady tsy mahasoa.


«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Dia hoy ry zareo taminy: –Ireo olona tsy manana antra ireo dia haringany tsy hananany antra ary ny tanimboaloboka dia hahofany amina mpamboly hafa izay hanome azy ny vokatra isaky ny fotoam-pahavokarana.


Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin’ny Zanak’olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.


–Ialao ny toe-dratsy fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra!


Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin’ireo nanaraka Azy nanao hoe: –Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin’i Israely.


Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy.


Maty ilay mahantra, ka nentin’ny anjely ho eo anilan’i Abrahama; maty koa ilay mpanankarena, dia nalevina.


Talanjona ireo mpino jiosy tafaraka tamin’i Petera, satria narotsaka tamin’ny hafa firenena koa ny Fanahy Masina fanomezan’Andriamanitra;


Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an’Andriamanitra ka nanao hoe: –Marina fa nomen’Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin’ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Nony tonga tao Antiôkia izy roa lahy, dia namory ny Fiangonana, ka nitantara ny zavatra rehetra nampanaovin’Andriamanitra azy ary koa nitantara ny namohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny hafa firenena mba hahazoany mino.


Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty tokoa anefa i Kristy, santatra ho an’ireo nodimandry.


Tsy fantatrareo ve fa tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra ny mpanao ratsy. Aza mety hofitahina ianareo! Fa na ny mpijangajanga, na ny mpanompo sampy, na ny mpaka vadin’olona, na ny maloto fihetsika, na ny mpifampila samy lehilahy,


Izao àry izany tsiambaratelo izany: amin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly, ny hafa firenena dia natao hitambatra amin’ny Jiosy ka hiara-mandova ny zava-tsoa natokan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, sy ho tena iray ihany ary hiombona anjara amin’ny fampanantenàn’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.


Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.


Porofo izany fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, satria vokatr’izay mianjady aminareo dia hatao mendrika ny Fanjakàn’Andriamanitra ianareo, sady io Fanjakàn’Andriamanitra io no anton’ny iaretanareo fijaliana.


Avy tamin’ny fokon’i Asera: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Manase: 12 000.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra