Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 8:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin’ireo nanaraka Azy nanao hoe: –Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary nony nahare izany Jesosy dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany teo amin’ny Israely Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin’ireo nanaraka Azy nanao hoe: –Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin’ny Isiraely aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary nony nahare izany Jesosy dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa mbola tsy nahita finoana lehibe toy izany teo amin’ny Israely Aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:10
9 Rohy Ifampitohizana  

Nipetraka nanoloana an’i Jôsefa arakara-jokiny ireo rahalahin’i Jôsefa, manomboka amin’ny lahimatoa ka miafara amin’ny faralahy. Dia nifampijerijery ireo sady gaga.


Tamin’izay dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: –Lehibe ny finoanao, ramatoa; aoka ho tonga aminao araka izay irînao. Ary nanomboka tamin’io ora io dia sitrana ilay zanany vavy.


Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.


Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.


Dia gaga i Jesoa, satria tsy nanam-pinoana ry zareo. Ary nitety ny tanàna kely manodidina i Jesoa, ka nampianatra.


Hitan’i Jesoa ny finoan’ireo olona ka hoy Izy tamin’ilay marary: –Andriamatoa, voavela ny helokao!


Fa hoy indray i Jesoa tamin-dravehivavy: –Ny finoanao no nahavonjy anao! Ndeha àry ka veloma finaritra!


Gaga tamin’ilay kapiteny i Jesoa raha nandre izany, ary dia nitodika tamin’ny vahoaka nanaraka Azy ka nanao hoe: –Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza!


Talanjona sy gaga izy rehetra sady vaky vava hoe: –Fa tsy avy any Galilea avokoa ve ireo miteny ireo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra