Nony tafiditra izy dia nirindrina aman-trano tao izy roa lahy ary nivavaka tamin’i Iaveh i Elisea.
Matio 6:6 - Baiboly Katolika Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, koa rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao. DIEM PROTESTANTA Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, midira ao amin’ny efitranonao, hidio ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao Izay ao amin’ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin’ny miafina no hamaly soa anao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, midira ao amin’ny efitranonao, hidio ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao Izay ao amin’ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin’ny miafina no hamaly soa anao. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao. Malagasy Bible Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. La Bible en Malgache Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, koa rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao. |
Nony tafiditra izy dia nirindrina aman-trano tao izy roa lahy ary nivavaka tamin’i Iaveh i Elisea.
Mandehana, ry vahoakako, midira ao an’efitranonao, ka mirindrìna varavarana ianao rehefa ao; miere vetivety foana, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.
ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.
mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Ka hoy i Natanaely taminy: «Ahoana no nahalalanao ahy?» Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.»
«Aza mikasika Ahy, hoy i Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.»
Dia hoy i Kôrnely: «Hefarana androany izay, raha nivavaka sy nifady hanina tao an-tranoko aho, dia indro nisy lehilahy niakanjo fotsy nitsangana teo anatrehako tamin’ny ora fahasivy, ka nanao hoe:
Nony ampitso, raha mbola teny an-dalana ireo iraka ireo, ka efa mby akaikin’ny tanàna, i Piera kosa niakatra teo ambonin’ny tampon-trano mba hivavaka, tokony ho tamin’ny ora fahenina.
Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: «Ry Tabità, mitsangàna.» Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.
Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy.