Ny sasany manamy trano amin’ny alina, miery nony antoandro; tsy mahalala ny fahazavana izy.
Matio 6:19 - Baiboly Katolika Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. DIEM PROTESTANTA –Aza mangorona harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kadradraka sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Aza mangorona harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kadradraka sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra; Baiboly Protestanta Malagasy Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Malagasy Bible Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. La Bible en Malgache Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. |
Ny sasany manamy trano amin’ny alina, miery nony antoandro; tsy mahalala ny fahazavana izy.
Raha ny volamena no nametrahako ny fitokiako, ka ny volamena madio no nataoko hoe: ‹Ianao no fanantenako›,
Nataonao vody voampelatanana monja ny androko; ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny fiainako. Eny, tso-drivotra foana avokoa, ny olombelona velona. - Selà
Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.
«Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavela izy ka maty, dia tsy misy valin-dra amin’izany;
Ny harena tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.
Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena; mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.
Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh; holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka, ny mponina rehetra amin’ny tany.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.
Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra.
«Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba;
Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna.
Nony nandre izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary avia hanaraka Ahy.»
Koa hoy i Jesoa nony nahita azy nalahelo; «Akory ity hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;