Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 4:6 - Baiboly Katolika

dia nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: ‹Ny Anjeliny no nametrahany Anao, ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› »

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

sady niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny Aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12).

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

sady nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà any ambany any, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

sady nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà any ambany any, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: „Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao” (Sal. 91.11, 12).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

sady niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny Aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12).

Jereo ny toko



Matio 4:6
9 Rohy Ifampitohizana  

Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin’ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny.


Fa ho vita fanekena aminao ny vato eny an-tsaha; ary hihavana aminao ny biby dia amin’ny tany.


Iharam-pahoriana matetika ny marina, fa esorin’i Iaveh amin’izany rehetra izany kosa.


Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh, sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.


Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »


Ary aza gaga amin’izany ianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny Anjelin’ny mazava koa;


Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena?