Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 4:6 - DIEM PROTESTANTA

6 sady nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà any ambany any, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 sady niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny Aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 sady nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà any ambany any, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 dia nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: ‹Ny Anjeliny no nametrahany Anao, ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: „Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao” (Sal. 91.11, 12).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 sady niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny Aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12).

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 4:6
9 Rohy Ifampitohizana  

Moa tsy Ianao ve no miaro azy sy ny fianakaviany mbamin’ny fananany toy ny fefy manodidina? Notahinao izay asa nataony, ary efa nomenao omby aman’ondry mameno ny taniny izy.


Ho vita fanekempihavanana mirindra ianao amin’ny vato eny an-tsaha sy amin’ny bibidia,


Na maro fahoriana aza ny olo-marina, dia afahan’ny TOMPO amin’izany rehetra izany.


Niantso vonjy aho fa olo-mahantra ka nohenoin’ny TOMPO sy novonjeny tamin’izay fahoriako rehetra.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.»


Tsy mahagaga izany satria hain’i Satàna aza ny miova endrika ho anjely mamirapiratra.


Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an’Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra