Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara; ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Matio 4:11 - Baiboly Katolika Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. DIEM PROTESTANTA Izay vao nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely tonga teo amin’i Jesoa ka nanompo Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay vao nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely tonga teo amin’i Jesoa ka nanompo Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. Malagasy Bible Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. La Bible en Malgache Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy. |
Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara; ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, ka haniraka Anjely tsy omby lejiona roa ambin’ny folo Izy ho eto amiko?
dia nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: ‹Ny Anjeliny no nametrahany Anao, ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› »
ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy.
Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray avy tany an-danitra niseho taminy sy nankahery Azy. Dia voan’ny fiadiana aina Izy, fa vao mainka nivavaka mafimafy kokoa.
Teo aminareo isan’andro tao an-Tempoly Aho, nefa tsy nikasi-tanana Ahy akory ianareo; fa izao tonga ny fotoanareo sy ny herin’ny maizina.»
Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.
Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,
Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.
Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena?
Ary rehefa mampiditra ny Lahimatoa atỳ ambonin’ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny Anjelin’Andriamanitra rehetra.