Ka hoy izy ireo: «Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany.» Dia hoy i Okoziasa: «I Elia Tesbita izay.»
Matio 3:4 - Baiboly Katolika Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fitafian’i Jaona dia lamba volon-drameva ary fehikibo hoditra no teny aminy; valala sy tantely remby kosa no sakafony. DIEM PROTESTANTA Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fitafian’izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. Malagasy Bible Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. La Bible en Malgache Ny fitafian’i Jaona dia lamba volon-drameva ary fehikibo hoditra no teny aminy; valala sy tantely remby kosa no sakafony. |
Ka hoy izy ireo: «Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany.» Dia hoy i Okoziasa: «I Elia Tesbita izay.»
tamin’izany andro izany niteny i Iaveh tamin’ny alalan’i Izaia, zanak’i Amôsa nanao hoe: «Mandehana, borahy ny lasàka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin’ny tongotrao.» Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy.
Ireto no ho fihinanareo amin’ireny: ny valala isan-karazany, ny solama isan-karazany, ny hargôla isan-karazany.
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: Ny mpaminany samy ho menatra ny fahitany avy raha maminany izy; ary tsy hitafy ny kapaoty volom-biby intsony, mba handaingany.
Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any amin’ny tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.
Volon-drameva no nitafian’i Joany, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notorìny:
dia hialoha azy amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny olo-marina, hamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.»
Teo ambonin’ny havoana amin’ny tany no nampiakarany azy; ary ny vokatry ny saha no nohanin’i Israely: nampitsentsefiny azy ny tantely avy amin’ny vatolampy sy ny diloilo avy amin’ny vato mafy indrindra;
Ary ny Vavolombeloko roa, dia homeko hery haminany enimpolo amby roan-jato sy arivo andro; akanjo malailay no hiakanjoany.