Hamoaka ny didy aho: I Iaveh nilaza hoe: «Zanako ianao, niteraka anao Aho ankehitriny.
Matio 3:17 - Baiboly Katolika Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary injao nisy feo avy tany an-danitra hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako. DIEM PROTESTANTA Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Baiboly Protestanta Malagasy Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako. Malagasy Bible Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako. La Bible en Malgache Ary injao nisy feo avy tany an-danitra hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako. |
Hamoaka ny didy aho: I Iaveh nilaza hoe: «Zanako ianao, niteraka anao Aho ankehitriny.
Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.
Ary ny mpisorona hanatitra azy ireo, ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana. Ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh noho ny fitsihany.
«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, dia ilay malalako izay ankasitrahin’ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»
ary nisy feo re avy tany an-danitra nanao hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko.»
Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy.
ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny an’ny voromahailala dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: «Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko indrindra.»
Fa tia ny Zanaka ny Ray, ka maneho aminy izay rehetra ataon’ny Tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza Izy, mba ho gaga ianareo.
Ary ny Ray izay naniraka Ahy dia Izy indrindra no nanambara Ahy. Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny,
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’i Ilay Malalany.
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,
Endrey izany haja amam-boninahitra nomen’Andriamanitra Ray Azy, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin’ny voninahitra lehibe nanao hoe: «Ity no Zanako malalako izay sitrako indrindra.»
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra Izay lehibe lavitra; ary ny fanambaràn’Andriamanitra, dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.
Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa.