Tonga toa zava-mahagaga aho eo imason’ny vahoaka, kanjo Ianao no fiarovana mafy ho ahy.
Matio 27:14 - Baiboly Katolika Fa tsy namaly Izy na dia indraimbava aza, ka gaga dia gaga ny governora. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa tsy namaly azy Izy na dia indraimbava aza ka gaga tokoa ny governora. DIEM PROTESTANTA Fa tsy namaly an’i Pilato akory i Jesoa na indraim-bava aza, hany ka gaga mihitsy ny governora. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tsy namaly an’i Pilato akory i Jesoa na indraim-bava aza, hany ka gaga mihitsy ny governora. Baiboly Protestanta Malagasy Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora. Malagasy Bible Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora. La Bible en Malgache Fa tsy namaly azy Izy na dia indraimbava aza ka gaga tokoa ny governora. |
Tonga toa zava-mahagaga aho eo imason’ny vahoaka, kanjo Ianao no fiarovana mafy ho ahy.
Inty aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy, dia famantarana sy fambara amin’i Israely izahay, avy amin’i Iavehn’ny tafika, izay monina ao an-tendrombohitra Siôna.
Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe, ianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.
Fa tsy niteny i Jesoa. Ary hoy ilay lehiben’ny mpisorona taminy: «Mandidy Anao amin’ny Anaran’Andriamanitra velona aho, hilaza aminay raha Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra.»
fa ny fiampangana nataon’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona Azy no tsy novaliany kely akory,
Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Avy aiza moa Ianao?» Fa tsy namaly azy i Jesoa.
Fa izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay, dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty, natao fizàhan’izao rehetra izao, na Anjely, na olombelona.