Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 26:7 - Baiboly Katolika

dia nisy vehivavy anankiray nanatona Azy, nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy, sy nanidina izany tamin’ny lohany raha mbola nipetraka nihinana Izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia nanatona Azy ny vehivavy iray nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra tena sarobidy, koa nararany tamin’ny lohan’i Jesosy izany, raha nipetraka nisakafo Izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy; ary naidin-dravehivavy tamin’ny lohan’i Jesoa ny ilomanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy; ary naidin-dravehivavy tamin’ny lohan’i Jesoa ny ilomanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin’ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia nanatona Azy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra saro-bidy loatra, ka naidiny tamin'ny lohany izany, raha nipetraka nihinana Izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia nanatona Azy ny vehivavy iray nitondra tavoara alabasitara feno menaka manitra tena sarobidy, koa nararany tamin’ny lohan’i Jesosy izany, raha nipetraka nisakafo Izy.

Jereo ny toko



Matio 26:7
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary niantso ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany i Elisea mpaminany, ka nanao hoe: «Misikìna ianao; raiso eo an-tananao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramôta any Galaada.


Tahaka ny diloilo sarobidy aidina eo an-doha izany; ka mitsororoka amin’ny somotra, dia amin’ny somotr’i Aarôna, sy midina amin’ny sisin’akanjony.


Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra; tahaka izany koa ny fahadalana kely mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.


Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao; ary tsy ho diso diloilo manitra ny lohanao.


soa ny hanitry ny zava-manitrao, diloilo mamerovero ny anaranao, izany no itiavan’ny zatovo vavy anao.


Miseho eo anatrehan’ny mpanjaka ianao mitondra diloilo: ataonao betsaka ny zava-manitrao; alefanao lavitra ny irakao; mietry hatrany amin’ny Seoly ianao.


Tezitra ny mpianany nony nahita izany ka nanao hoe: «Nahoana re iny no lanìna foana toy izao?


Ary nony tany Betania tao an-tranon’i Simôna boka izy, dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana izy. Nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy natao tamin’ny salohin’ny narda ravehivavy, ary novakiny ny tavoara, dia naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny menaka.


Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro.