Matio 26:41 - Baiboly Katolika Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miareta tory sy mivavaha ianareo mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery. DIEM PROTESTANTA Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona, fa ny nofo no malemy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona, fa ny nofo no malemy! Baiboly Protestanta Malagasy Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. Malagasy Bible Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. La Bible en Malgache Miareta tory sy mivavaha ianareo mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery. |
Ka hoy Izy tamin’ireo: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.»
ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.
Miambena ianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.»
Nony tonga tany Izy dia nanao tamin’izy ireo hoe: «Mivavaha mba tsy ho azon’ny fakam-panahy ianareo.»
ary nilaza taminy hoe: «Nahoana no matory ianareo? Mifohaza, ka mivavaha mba tsy ho azon’ny fakam-panahy ianareo.»
Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.
Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
dia satria hain’Izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin’ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin’ny andron’ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazina,
Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. -
Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny fandeferana, Izaho kosa hitandrina anao amin’ny andron’ny fakam-panahy, izay ho tonga amin’izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany.