Fa izao kosa no navalin’ny mpanjakan’i Israely nataony hoe: «Lazao aminy hoe: Aoka izay mbola mitafy ny fiadiany, tsy hirehareha toy ny efa nametraka ny azy.»
Matio 26:40 - Baiboly Katolika Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy Izy tamin’i Piera: «Hay ianareo tsy nahazaka ny miara-miari-tory amiko ora iray akory? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nankeo amin’ny mpianatra Izy avy eo ka nahita azy ireo matory; dia hoy Izy tamin’i Petera: Hay tsy mahazaka ny miara-miari-tory Amiko na dia ora iray ihany aza ianareo! DIEM PROTESTANTA Dia niverina nankeo amin’ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niverina nankeo amin’ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo? Baiboly Protestanta Malagasy Ary nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nahita azy matory; dia hoy Izy tamin’i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza hianareo! Malagasy Bible Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo! La Bible en Malgache Nankeo amin’ny mpianatra Izy avy eo ka nahita azy ireo matory; dia hoy Izy tamin’i Petera: Hay tsy mahazaka ny miara-miari-tory Amiko na dia ora iray ihany aza ianareo! |
Fa izao kosa no navalin’ny mpanjakan’i Israely nataony hoe: «Lazao aminy hoe: Aoka izay mbola mitafy ny fiadiany, tsy hirehareha toy ny efa nametraka ny azy.»
Matory aho, nefa mahatsiaro ny foko... Injay ny feon’ny malalako! Mandondòna izy: - Vohay aho, ranabavy, ry sakaizako, ry voromahailalako, ry ahy tsy misy pentina; fa vonton’ny ando ny lohako, kotsan’ny andon’ny alina ny voloko voalantolanto.
Fa hoy i Piera taminy: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.
Ka hoy Izy tamin’ireo: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.»
Miambena sy mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy ianareo. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka nahita azy natory, ary nilaza tamin’i Piera hoe: «Ry Simôna, matory va ianao? Tsy nahari-tory ora iray akory va ianao?
Nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ny mpianany ka nahita azy matory noho ny alahelo,
Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roalahy teo aminy.
Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza ary mirotsaha amin’ny tanàna; ka rehefa hivoaka hamely anao i Gaala sy ny vahoaka momba azy, dia asio, araka izay azonao atao amin’izay».