Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 26:40 - DIEM PROTESTANTA

40 Dia niverina nankeo amin’ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 Nankeo amin’ny mpianatra Izy avy eo ka nahita azy ireo matory; dia hoy Izy tamin’i Petera: Hay tsy mahazaka ny miara-miari-tory Amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Dia niverina nankeo amin’ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

40 Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy Izy tamin’i Piera: «Hay ianareo tsy nahazaka ny miara-miari-tory amiko ora iray akory?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 Ary nankeo amin’ny mpianatra Izy ka nahita azy matory; dia hoy Izy tamin’i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza hianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:40
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny navalin’ny mpanjakan’i Israely: –Ampahatsiahivo an’i Bena-Hadada izay voalazan’ny ohabolana hoe: «Aoka izay vao miainga hiantafika tsy hirehareha toy ny efa avy nandresy.»


Matory aho fa ny foko mahatsiaro ihany. Injay reko ny malalako izay mandondòna sady miteny hoe: «Vohay aho, ry havako fofombadiko, ry ilay voromahailalako tsy misy tomika. Fa rakotra ando ny lohako; ary kotsan’ireo patrakalan’ny alina ny volon-dohako milantolanto.»


Andrasana ela ny fiavian’ny mpampakatra, ka dia samy rendremana avokoa izy folo vavy ary natory.


Ary novalian’i Petera hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao na oviana na oviana. Ary dia samy nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.


ary dia niteny tamin’izy telo lahy hoe: –Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko!


Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona, fa ny nofo no malemy!


Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy indray i Jesoa, dia mbola nahita azy natory; fa efa navesatra ny masony.


Dia niverina nankeo amin’izy telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Matory ve ianao, ry Simôna? Tsy nahari-tory adiny iray akory ve ianao?


Nony nitsangana avy nivavaka i Jesoa, dia nankeo amin’ny mpianany, ka nahita azy ireo natory noho ny alahelo.


Sondrian-tory kosa i Petera sy ny namany, nefa mba taitra ihany ka nahita an’i Jesoa heni-boninahitra sy nahita azy roa lahy izay teo aminy.


Ary rahampitso maraina, vao miposaka ny masoandro, dia tongava hanafika ny tanàna; ka rehefa mivoaka hifanehatra aminao i Gahala sy ny olona mpomba azy dia ataovy araka ny tokony hafitsokao aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra