Fa i Piera namaly hoe: «Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana.»
Matio 26:34 - Baiboly Katolika Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handa Ahy intelo ianao. DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao. Baiboly Protestanta Malagasy Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handa Ahy intelo hianao. Malagasy Bible Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. La Bible en Malgache Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handa Ahy intelo ianao. |
Fa i Piera namaly hoe: «Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana.»
ka tsaroan’i Piera ny tenin’i Jesoa nanao hoe; «Alohan’ny maneno akoho, handà Ahy intelo ianao.» Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.
Niaraka tamin’izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan’i Piera ilay teny nolazain’i Jesoa taminy hoe: «Tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao»; ka dia nitomany izy.
Fa hoy i Jesoa: «Lazaiko aminao, ry Piera, fa mbola tsy haneno ny akoho anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.»
Ary nitodika nijery an’i Piera ny Tompo, ka tsaroan’i Piera ilay tenin’ny Tompo nanao hoe: Alohan’ny maneno akoho anio, dia handà Ahy intelo ianao;
Fa hoy i Jesoa: «Hafoinao ho Ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»