Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 26:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handa Ahy intelo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handa Ahy intelo hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:34
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia niteny i Petera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: –Na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao na oviana na oviana.


ary tsaroan’i Petera ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.


Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany; ka tsaroan’i Petera ilay tenin’i Jesoa fony Izy nilaza taminy hoe: «Raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia nigogogogo nitomany i Petera.


Dia hoy i Jesoa: –Lazaiko aminao, ry Petera, fa mbola tsy haneno akory ny akoho anio, dia efa intelo no handavanao ho tsy mahalala Ahy!


Ary nitodika nijery an’i Petera ny Tompo ka tsaroan’i Petera ny tenin’ny Tompo fony Izy nilaza taminy hoe: «Alohan’ny maneno akoho anio, dia handà Ahy intelo ianao.»


I Jesoa kosa namaly hoe: –Ny ainao hoe hafoinao ho Ahy? Lazaiko marina dia marina aminao fa alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra