Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
Matio 22:44 - Baiboly Katolika Andriamanitra nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao ambara-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao» (Sal 110.1)? DIEM PROTESTANTA «Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!» Baiboly Protestanta Malagasy ,,Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao’’ (Sal. 110.1)? Malagasy Bible Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)? La Bible en Malgache «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao» (Sal 110.1)? |
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
Salamon’i Davida. I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Ho azon’ny tananao ny fahavalonao rehetra, ry Mpanjaka, ho azon’ny tananao ankavanana izay mankahala Anao;
Dia hoy i Jesoa taminy: «Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any ianareo hahita ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra be fahefana sy avy, eo amin’ny rahon’ny lanitra.»
Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.
mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty, dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy:
Satria tsy maintsy manjaka Izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Eny, mbola ataoko faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fako, fako foana ny zavatra rehetra,
Ary iza tamin’ny Anjely no nataony hoe: Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao?
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Dia hitako fa nivory ny Biby sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny, mba hiady amin’ilay nitaingina ny soavaly sy amin’ny tafiny.