Matio 21:9 - Baiboly Katolika ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Hôzàna any amin’ny avo indrindra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantsoantso hoe: «Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO! Hosana any amin’ny avo indrindra» (Sal 118.26). DIEM PROTESTANTA Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: «Dera anie ho an’ny Zanak’i Davida! Hombam-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra!» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Hosana any amin’ny avo indrindra (Sal. 118.26). Malagasy Bible Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26). La Bible en Malgache Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantsoantso hoe: «Hosana* ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO! Hosana any amin’ny avo indrindra» (Sal 118.26). |
Ary nony efa tonga tao Jerosalema Izy, dia taitra avokoa ny tao an-tanàna ka nanao hoe: «Iza moa izao?»
Fa tezitra ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nony nahita ny fahagagana nataony sy ireto ankizy madinika nihoraka tao an-Tempoly nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida,»
Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: Hohasoavina anie Izay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.
Ary nony niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy, sady niantso mafy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô! mamindrà fo aminay.»
Ary indro fa havela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: ‹Hohasoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.› »
«Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona etỳ ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony.»