Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 23:39 - Baiboly Katolika

39 Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: Hohasoavina anie Izay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

39 Ary lazaiko aminareo fa tsy ho hitanareo intsony Aho mandra-pilazanareo hoe: «Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy!»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 Ary lazaiko aminareo fa tsy ho hitanareo intsony Aho mandra-pilazanareo hoe: «Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia tsy hahita Ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 23:39
15 Rohy Ifampitohizana  

Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’i Iaveh! Mitso-drano anareo, avy ao an-tranon’i Iaveh izahay!


Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôda ary tsy manan-terafima.


Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina ao Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana; ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana azy izy, toy ny fisaonana zanaka lahitokana; hitomany mafy azy izy ireo toy ny fitomany zanaka lahy matoa.


ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Hôzàna any amin’ny avo indrindra.»


Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany: «Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’olona, fa tsy hahita ianareo.


Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo.


Fa hoy i Jesoa taminy: Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray?


Hoy indray i Jesoa tamin’izy ireo: «Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha.»


Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.»


Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.»


Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry, dia tsy tiako tsy ho fantatrao, ry hava-malala, izao zava-miafina izao: nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely, mandra-piditry ny hafenoan’ny Jentily.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra