Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Matio 21:12 - Baiboly Katolika Dia niditra tao amin’ny Tempolin’Andriamanitra i Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin’ny Tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin’ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy niditra tao amin’ny tempoly dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao amin’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala; DIEM PROTESTANTA Dia namantana tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivaro-boromahailala nazerany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namantana tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivaro-boromahailala nazerany; Baiboly Protestanta Malagasy ARY Jesosy niditra teo an-kianjan’ny tempolin’Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra ny voromailala; Malagasy Bible Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala; La Bible en Malgache Ary Jesosy niditra tao amin’ny tempoly dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao amin’ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala; |
Izao no haloan’izay rehetra anatin’ny voaisa: antsasaky ny sikla masina izay roapolo gerà; antsasaky ny sikla no ho fanatitra halaina ho an’i Iaveh.
Raha vorona hatao sorona dorana no ateriny amin’i Iaveh, dia domohina na vanto-boromahailala no hateriny.
Rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka izay zaza naterany, na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona ao anoloan’ny trano lay fihaonana, zanak’ondry iray efa iray taona, hatao sorona dorana; ary vanto-boromahailala iray, na domohina iray, atao sorona noho ny ota.
Raha tsy manan-kamidy ny zanak’ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho azy, dia hadio izy.»
mbamin’ny domohina roa, na vantom-boromahailala roa, araka izay azony atao, ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana.
Raha efa izany, dia hatolony ny iray amin’ny domohina na iray amin’ny vanto-boromahailala, izay azony novonoina,
Amin’ny andro fahavalo hitondra domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, ka hankeo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ary homeny ny mpisorona izany.
Amin’ny andro fahavalo haka domohina roa izy, na vanto-boromahailala roa, ka hitondra ireo amin’ny mpisorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.
Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na ampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.
Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.
Dia niditra tao Jerosalema Izy namantana tao amin’ny Tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban’ny roa ambin’ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro.
ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromahailala roa, araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.»