Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 14:22 - Baiboly Katolika

22 mbamin’ny domohina roa, na vantom-boromahailala roa, araka izay azony atao, ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 ary domohina roa na voromailala roa, araka izay tratry ny ananany, koa ny iray dia hatao fanatitra fanadiovana ary ny iray dia hatao fanatitra dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 domohina roa na voromahailala roa, arakaraka izay hareny ananany, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 domohina roa na voromahailala roa, arakaraka izay hareny ananany, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 14:22
11 Rohy Ifampitohizana  

Mandositra, mandositra, ireo mpanjakan’ny tafika, ary mizara ny babo kosa ilay vehivavy mitoetra an-trano.


Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin’ny fialofan’ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao».


Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho, nitoloko toy ny voromahailala aho, valalanina ny masoko, mijery any ambony:


Manerona hoatra ny orsa avokoa isika; ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromahailala; miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy, miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany.


Ilaozy ny tanàna, mitoera any amin’ny vatolampiny, ry mponina any Moaba, ka aoka ho tahaka ny domohina izay manao ny akaniny eny ambonin’ny hantsana mangotanatana.


Na misy ho afa-mandositra aza amin’izy ireo, dia hirenireny eny an-tendrombohitra, toa voromahailala an-dohasaha, samy hitoloko noho ny helony avokoa.


Raha mahantra izy, ka tsy ampy ny fananany, dia haka zanak’ondry iray monja ihany izy, hatolotra ho sorona fanonerana, fanatitra ahevaheva, hanaovana ny fanonerana ho azy. Haka lafarina tsara indrindra izy, ampahafolon’ny efah ihany voadity amin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga,


Dia horaisin’ny mpisorona ny zanak’ondry hatao sorona fanonerana sy ny diloilo iray loga, ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh.


Amin’ny andro fahavalo hitondra domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, ka hankeo anatrehan’i Iaveh, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ary homeny ny mpisorona izany.


Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.


Ary amin’ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na vanto-boromahailala roa amin’ny mpisorona izy, eo anoloan’ny trano lay fihaonana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra