Levitikosy 12:6 - Baiboly Katolika6 Rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka izay zaza naterany, na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona ao anoloan’ny trano lay fihaonana, zanak’ondry iray efa iray taona, hatao sorona dorana; ary vanto-boromahailala iray, na domohina iray, atao sorona noho ny ota. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20116 Rehefa tapitra ny andro fidiovany, na lahy na vavy no naterany, dia zanak’ondry iray izay iray taona, no halainy hatao fanatitra dorana manontolo ary voromailala, na domohina, hatao fanatitra fanadiovana, ka hoentiny eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ho eo amin’ny mpisorona ireo. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA6 «Rehefa tapitra ny fetr’andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona eo anoloan’ny Tranolay fihaonana: zanak’ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara6 «Rehefa tapitra ny fetr’andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona eo anoloan’ny Tranolay fihaonana: zanak’ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy6 Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin’ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak’ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ho eo amin’ny mpisorona ireo. Jereo ny tokoMalagasy Bible6 Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache6 Rehefa tapitra ny andro fidiovany, na lahy na vavy no naterany, dia zanak’ondry iray izay iray taona, no halainy hatao fanatitra dorana manontolo ary voromailala, na domohina, hatao fanatitra fanadiovana, ka hoentiny eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ho eo amin’ny mpisorona ireo. Jereo ny toko |