Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 12:5 - Baiboly Katolika

5 Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, toy ny amin’ny andro aharariany amin’ny fadim-bolany; ary haharitra enina amby enimpolo andro amin’ny ra hidiovany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Fa raha tera-bavy kosa izy dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ny fahalotoany amin’ny fadimbolany ihany koa, ary enina amby enimpolo andro no hitoerany mba hadio amin’ny rany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 «Raha misy kosa vehivavy tera-bavy, dia haloto tahaka ny amin’ny fadimbolany izy, kanefa tapa-bolana no haharetan’ny fahalotoany; ary mandritra ny 66 andro aorian’izany kosa no mbola hidiovan-dravehivavy noho izy very ra teo am-piterahana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 «Raha misy kosa vehivavy tera-bavy, dia haloto tahaka ny amin’ny fadimbolany izy, kanefa tapa-bolana no haharetan’ny fahalotoany; ary mandritra ny 66 andro aorian’izany kosa no mbola hidiovan-dravehivavy noho izy very ra teo am-piterahana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin’ny rany izay mahadio azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin'ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin'ny ràny izay mahadio azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Fa raha tera-bavy kosa izy dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ny fahalotoany amin’ny fadimbolany ihany koa, ary enina amby enimpolo andro no hitoerany mba hadio amin’ny rany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 12:5
5 Rohy Ifampitohizana  

Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: «Ahoana no nanaovanao izany?» Hoy ny navalin-dravehivavy: «Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.»


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ataovy hoe: ny vehivavy miteraka, raha tera-dahy, dia haloto hafitoana, haloto tahaka ny amin’ny andro aharariany amin’ny fadim-bolany izy.


fa izy mbola haharitra telo amby telopolo andro amin’ny ra hidiovany, ka tsy hikasika zava-masina, na ho any amin’ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.


Rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka izay zaza naterany, na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona ao anoloan’ny trano lay fihaonana, zanak’ondry iray efa iray taona, hatao sorona dorana; ary vanto-boromahailala iray, na domohina iray, atao sorona noho ny ota.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra