Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 12:6 - DIEM PROTESTANTA

6 «Rehefa tapitra ny fetr’andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona eo anoloan’ny Tranolay fihaonana: zanak’ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Rehefa tapitra ny andro fidiovany, na lahy na vavy no naterany, dia zanak’ondry iray izay iray taona, no halainy hatao fanatitra dorana manontolo ary voromailala, na domohina, hatao fanatitra fanadiovana, ka hoentiny eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ho eo amin’ny mpisorona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 «Rehefa tapitra ny fetr’andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona eo anoloan’ny Tranolay fihaonana: zanak’ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka izay zaza naterany, na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona ao anoloan’ny trano lay fihaonana, zanak’ondry iray efa iray taona, hatao sorona dorana; ary vanto-boromahailala iray, na domohina iray, atao sorona noho ny ota.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin’ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak’ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ho eo amin’ny mpisorona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 12:6
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia novaliany hoe: –Itondray vantotr’ombivavy iray sy osivavy iray sy ondrilahy iray samy telo taona Aho ary koa domohina sy voromahailala iray avy.


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy vehivavy niandry volana ka tera-dahy, dia haloto mandritra ny fito andro izy, tahaka ny aharetan’ny fahalotoany amin’ny fadimbolany.


«Raha misy kosa vehivavy tera-bavy, dia haloto tahaka ny amin’ny fadimbolany izy, kanefa tapa-bolana no haharetan’ny fahalotoany; ary mandritra ny 66 andro aorian’izany kosa no mbola hidiovan-dravehivavy noho izy very ra teo am-piterahana.


Hatolory ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo sorona ireo, ary rehefa nataony tamin-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio ny amin’ny ra very teo am-piterahana izy.» Ireo no fepetra momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.


domohina roa na voromahailala roa, arakaraka izay hareny ananany, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo.


Ary amin’ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na voromahailala roa izy ka hankeo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary hanome ireo vorona ireo amin’ny mpisorona.


Amin’ny andro fahavalo, dia haka domohina roa na voromahailala roa izy ka hitondra ireo ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.


Amin’ny andro manaraka kosa no hitondrany domohina roa na voromahailala roa eo amin’ny mpisorona, eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.


Tonga ny fotoana tsy maintsy anatanterahana ny fombam-pivavahana fidiovana ho an’i Maria sy i Jesoa zazakely, araka ny lalànan’i Mosesy. Dia nentin’i Maria sy i Jôsefa tany Jerosalema ny zazakely mba hatolotra ny Tompo,


Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra