Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 19:5 - Baiboly Katolika

Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24),

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

sady niteny hoe: «noho izany, dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, ary dia ho tena iray ihany izy roroa.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

sady niteny hoe: «noho izany, dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, ary dia ho tena iray ihany izy roroa.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

,,Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa’’ (Gen. 2.24)?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa. (Gen. 2. 24)?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

hoy koa Izy: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany izy roa (Gen 2.24),

Jereo ny toko



Matio 19:5
19 Rohy Ifampitohizana  

Raiki-pitia tamin’i Dinà, zanaka vavin’i Jakôba, ny fon’i Sikema, ka tia an-drazazavavy ary nanao teny malefaka taminy izy.


Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko! Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka; mamiko noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao.


ary amin’ireo firenena nilazan’ny Tompo tamin’ny zanak’i Israely hoe: «Ianareo tsy handeha amin’ireny, izy ireny tsy handeha aminareo, satria tsy maintsy havilin’ireny ny fonareo mankamin’ny andriamaniny», kanjo raiki-pitia tamin’ireo i Salômôna.


Zanaka vavin’Andriamanitra no isan’ny malalanao; ny mpanjakavavy miravaka volamenan’i Ofira no eo ankavananao.


Fa Ianao no vonjiko, ary eo ambanin’ny aloky ny elatrao no iravoravoako.


Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.


Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.»


Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.


Tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga, dia tena iray aminy? araka ny Soratra hoe: Ho nofo iray izy roroa.


Mba hanalavirana ny fijangajanga anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny.


Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; toraka izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy.


Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa.


Matahora an’i Iaveh Andriamanitrareo, manompoa Azy; miraiketa aminy, ary ny Anarany no ataovy fianianana.


Fa raha mitandrina tsara izao didy rehetra asaiko tandremanareo izao ianareo, ka tia an’Andriamanitrareo sy mandeha amin’ny lalany rehetra ary miraiki-po aminy:


fa ianareo rehetra nifikitra tamin’i Iaveh Andriamanitrareo kosa, mbola samy velona daholo izao anio izao.


Nony tapitra niteny tamin’i Saola i Davida, dia raiki-pitia tamin’ny fanahin’i Davida ny fanahin’i Jônatasy, ka tia azy toy ny ainy i Jônatasy.


Nanambady an’i Akinôama avy any Jezraela koa i Davida, ka vadiny avokoa izy roa vavy.