Matio 19:16 - Baiboly Katolika Ary indro nisy olona anankiray nanatona ka nilaza taminy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, nisy lehilahy iray nanatona Azy niteny hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay? DIEM PROTESTANTA Ary indro nisy tovolahy nanatona an’i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, inona no tsara tokony hataoko hahavelona aina ahy mandrakizay? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary indro nisy tovolahy nanatona an’i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, inona no tsara tokony hataoko hahavelona aina ahy mandrakizay? Baiboly Protestanta Malagasy ARY, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay? Malagasy Bible Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay? La Bible en Malgache Indro, nisy lehilahy iray nanatona Azy niteny hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay? |
Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.»
Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay;
satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.»
Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no hanananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy;
Nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: «Tompoko, inona no tokony hataoko mba ho voavonjy aho?»
fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana;
mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
fa izany indrindra no nahazoako famindram-po, dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho ao amin’ny fiainana mandrakizay.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.
noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,
mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelony izahay, ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray sy naseho taminay. -
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
hitahiry tena amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, ary hiankina amin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahazo ny fiainana mandrakizay.