Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 19:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ary indro nisy tovolahy nanatona an’i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, inona no tsara tokony hataoko hahavelona aina ahy mandrakizay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Indro, nisy lehilahy iray nanatona Azy niteny hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ary indro nisy tovolahy nanatona an’i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, inona no tsara tokony hataoko hahavelona aina ahy mandrakizay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ary indro nisy olona anankiray nanatona ka nilaza taminy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 ARY, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Indro, nisy lehilahy iray nanatona Azy niteny hoe: Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 19:16
32 Rohy Ifampitohizana  

Ary olona marobe izay matory ao amin’ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay.


Dia nametra-tanana tamin’ireo ankizy madinika ireo i Jesoa vao niala teo.


Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe: –Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa raha amin’Andriamanitra, dia hainy avokoa ny zavatra rehetra.


Ary izay rehetra mahafoy trano na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy dia hahazo injato henin’izany ary hanana anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.


Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin’izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay.


mba ho velona aina mandrakizay izay rehetra mino Azy.


Fa na iza na iza hisotro amin’ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta na oviana na oviana; satria ny rano izay homeko azy dia hanjary loharano ao anatiny ka hiboiboika ho aina maharitra mandrakizay.


Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ao no heverinareo hahavelona aina mandrakizay; ireo Soratra Masina ireo indrindra no mijoro ho vavolombelona manambara Ahy,


Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia velona aina mandrakizay.


Dia novalian’i Simôna Petera hoe: –Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny manome ny aina maharitra mandrakizay;


Dia navoakan’ilay mpiambina izy roa lahy sady nanontaniany hoe: –Inona, tompoko, no tokony hataoko mba hovonjena aho?


homeny fiaina-maharitra mandrakizay ireo mitozo manao ny tsara ka mikatsaka ny voninahitra sy ny laza ary ny tsy fahafatesana;


Koa tahaka ny nanjakan’ny fahotana ka nahafaty antsika no hanjakan’ny fahasoavan’Andriamanitra hahatonga antsika ho marina ka hahavelona antsika mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Kanefa izao no anton’ny namindran’Andriamanitra fo tamiko: tiany hasehon’i Kristy Jesoa ao amiko mpanota faraidiny ny fahari-pony rehetra mba ho ohatra ho an’izay hino Azy ka handray ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin’izany fiainana izany no niantsoan’Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan’ny vavolombelona maro.


dia hamory raki-tsoa ho an’ny tenany izy hanorenany tsara ny ho avy, ka hahazoany ny tena fiainana.


dia fivavahana miorina amin’ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;


hahatonga antsika ho marina eo anatrehan’Andriamanitra noho ny fahasoavan’i Kristy sy hahatonga antsika hanana anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay efa antenaintsika.


Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin’ny Ray ka efa naseho taminay.


Ary ny zavatra nampanantenain’i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


mitahiriza tena ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ka mahandrasa ny famindrampon’i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiaina-maharitra mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra