Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 19:17 - Baiboly Katolika

17 Dia hoy Izy namaly azy: «Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Iray no tsara; fa raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Dia hoy i Jesoa taminy: –Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Tokana no tsara tapitra ohatra. Raha te hiroso amin’ny fiainana kosa ianao, dia tandremo ny didy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia hoy i Jesoa taminy: –Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Tokana no tsara tapitra ohatra. Raha te hiroso amin’ny fiainana kosa ianao, dia tandremo ny didy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin’ny fiainana hianao, tandremo ny didy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Iray no tsara; fa raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 19:17
14 Rohy Ifampitohizana  

Nitsangan-ko vavolombelona namely azy Ianao mba hamerina azy amin’ny lalànao, izy kosa nikiry tamin’ny fiavonavonany, tsy nihaino ny didinao, nandika ny fitsipikao, nefa izany raha tandremana dia ahitana ny aina; soroka tsy mety hiantsoroka no narosony ary nanamafy ny hatony izy ka tsy nety nihaino.


Tsara fo sy manao soa Ianao, ampianaro ny lalànao aho.


Ho an’ny mpampianatra hira. Hira nataon’i Davida,


Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahiny, tsy notandremany tamin’ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako novetavetainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an’efitra.


Tandremo ny lalàna aman-pitsipiko, fa ny olona manaraka izany, no ho velona amin’izany. Izaho no Iaveh.


Izany no nilazan’i Môizy fa ny olona manatanteraka ny fahamarinana avy amin’ny Lalàna no ho velona amin’izany;


Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.


Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.


Tsy misy masina tahaka an’i Iaveh, fa tsy misy afa-tsy Ianao no Izy; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra