Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 12:2 - Baiboly Katolika

fa nony nahita izany ny Farisianina dia nilaza taminy hoe: «Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny sabata».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa nony nahita izany ny Fariseo dia niteny Taminy hoe: Indro ny mpianatrao manao izay tsy azo atao amin’ny Sabata.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahita izany ny Farisianina ka nanao tamin’i Jesoa hoe: –Jereo ny mpianatrao fa manao zavatra tsy fanao amin’ny andro sabata!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahita izany ny Farisianina ka nanao tamin’i Jesoa hoe: –Jereo ny mpianatrao fa manao zavatra tsy fanao amin’ny andro sabata!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ny Sabata.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa nony nahita izany ny Fariseo* dia niteny Taminy hoe: Indro ny mpianatrao manao izay tsy azo atao amin’ny Sabata.

Jereo ny toko



Matio 12:2
19 Rohy Ifampitohizana  

«Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.


Ny andro enina no hiasanareo fa ny andro fahafito dia ho andro voatokana eo aminareo, andro fitsaharana amin’ny asa rehetra hankalazana an’i Iaveh. Izay manao taozavatra amin’io andro io dia hohelohin-ko faty.


Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin’i Iaveh hoe: mendrika hohajaina. Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;


ary nisy lehilahy maty tanana teo, ka hoy ireo nanontany an’i Jesoa: «Moa mety va ny manasitrana amin’ny andro sabata?» Mba hiampangany Azy no nanaovan’izy ireo an’izany.


Ary hoy Izy taminy: «Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy.


ka hoy ny Farisianina taminy: «Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?»


Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe: «Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?»


Rehefa niverina avy any izy ireo, dia namboatra zava-manitra sy menaka manitra; fa nony sabata ny andro vao nitsahatra araka ny Lalàna izy.


Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: «Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?»