Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.
Matio 12:15 - Baiboly Katolika Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Jesosy nahalala izany ka niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy ka nositraniny avokoa izy rehetra; DIEM PROTESTANTA Nony nahalala izany i Jesoa, dia niala teo amin’io toerana io; ary vahoaka maro no nanaraka Azy. Nositranin’i Jesoa avokoa ny marary rehetra, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony nahalala izany i Jesoa, dia niala teo amin’io toerana io; ary vahoaka maro no nanaraka Azy. Nositranin’i Jesoa avokoa ny marary rehetra, Baiboly Protestanta Malagasy Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra; Malagasy Bible Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra; La Bible en Malgache Fa Jesosy nahalala izany ka niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy ka nositraniny avokoa izy rehetra; |
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.
Na taiza na taiza nalehany, na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.
Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy: «Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
Ary tamin’izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Nony nahare izany ny vahoaka dia nanaraka Azy. Noraisin’i Jesoa tsara izy ireo, notorotoroany ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra, sady nositraniny ny marary.
Koa tsy nandeha ampahibemaso tany amin’ny Jody intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe: Efrema, dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany.
Taorian’izany dia nitety an’i Galilea i Jesoa fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty Azy ny Jody.
Tsy maintsy manao ny asan’Izay naniraka Ahy Aho raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy azon’olona na iza na iza iasana.
Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: