Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jaona 7:1 - Baiboly Katolika

1 Taorian’izany dia nitety an’i Galilea i Jesoa fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty Azy ny Jody.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Taorianan’izay dia nitety tany Galilia Jesosy; fa tsy te hitety an’i Jodia Izy satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Taorian’izany i Jesoa dia nitety an’i Galilea fa tsy te hitety an’i Jodea, satria notadiavin’ny manampahefana jiosy hovonoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Taorian’izany i Jesoa dia nitety an’i Galilea fa tsy te hitety an’i Jodea, satria notadiavin’ny manampahefana jiosy hovonoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 7:1
19 Rohy Ifampitohizana  

Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.


Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: ‹Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany›


Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty Azy; saingy natahotra Azy izy ireo satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany.


Ary izao no nambaran’i Joany raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany Azy hoe: Iza moa Ianao?


dia niala tany Jodea Izy ka nankany Galilea indray.


Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa, rehefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.


Nony afaka izany dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady i Jesoa,


Koa nitady Azy ny Jody tamin’ny andro fety nanao hoe: «Aiza Izy?»


Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy ampahibemaso noho ny fahatahorany ny Jody


Moa tsy nomen’i Môizy ny Lalàna va ianareo? nefa tsy misy aminareo mahatanteraka ny Lalàna.


Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: «Moa tsy Izy io Ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?


Dia nifampilaza hoe ny Jody: «Aiza àry no halehany no tsy ho hitantsika Izy? Ho any amin’izay miely any amin’ny Jentily va re Izy, ka hampianatra ny Jentily?


Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy ianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko.


Nefa mitady hamono Ahy ianareo ankehitriny, dia Izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin’Andriamanitra: tsy asan’i Abrahama izany.


dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra