Izany no aoka ho tamby avy amin’i Israely ho an’ireo fahavaloko, sy ho an’ireo miteny ratsy mamely ahy.
Matio 11:19 - Baiboly Katolika Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny Poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny zanany ny Fahendrena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tonga kosa ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, ka hoy ny olona: Indro olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany. DIEM PROTESTANTA Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, nefa lazaina hoe: «Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota!» Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia asehon’ny asany ho marina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, nefa lazaina hoe: «Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota!» Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia asehon’ny asany ho marina. Baiboly Protestanta Malagasy Tonga ny Zanak’olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany. Malagasy Bible Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany. La Bible en Malgache Tonga kosa ny Zanak’Olona*, mihinana sy misotro, ka hoy ny olona: Indro olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany. |
Izany no aoka ho tamby avy amin’i Israely ho an’ireo fahavaloko, sy ho an’ireo miteny ratsy mamely ahy.
Ny olona manan-tsaina dia manana ny fahendrena eo anoloany; fa ny mason’ny adala dia any am-paran’ny tany.
fa hahantra ny fatra-pisotro amam-pihinan-kanina, ary mampisingo-borodamba ny faharendremana.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny Poblikanina aza tsy manao izany koa?
Indray sabata, raha niditra, hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa, dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: «Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.»
Ary ny vahoaka rehetra izay nandre Azy mbamin’ny poblikanina aza dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany;
Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin’izay hahasoa azy, sy hahatarika azy amin’ny tsara.
nanao hoe: «Amen! An’ny Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery!»