Apokalipsy 7:12 - Baiboly Katolika12 nanao hoe: «Amen! An’ny Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery!» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 hoe: Amena! Ny saotra, ny voninahitra, ny fahendrena, ny fisaorana, ny haja, ny hery ary ny faherezana dia an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay! Amena! Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA12 nanao hoe: «Amen! An’Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 nanao hoe: «Amen! An’Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena Sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. Jereo ny toko |
dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.