Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jaona 2:2 - Baiboly Katolika

2 I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nasaina ho ao amin’izany fampakaram-bady izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Nasaina ho amin’io fampakaram-bady io koa i Jesoa mbamin’ny mpianany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nasaina ho amin’io fampakaram-bady io koa i Jesoa mbamin’ny mpianany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nasaina ho ao amin’izany fampakaram-bady izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jaona 2:2
30 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;


Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.


Fa hovaliany hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa.


Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaoma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.


Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe: «Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko.»


Ary nony tafatsangan-ko velona Izy, dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.


Nony inona, lany ny divay, ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: «Tsy manan-divay izy ireo.»


Taorian’izany, dia nankany amin’ny tany Jodea i Jesoa sy ny mpianany, ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany, sady nanao batemy ny olona.


- na dia tsy izy aza fa ny mpianany no nanao batemy ny olona, -


Dia nifampilaza hoe ny mpianany: «Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha?»


fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany.


Rehefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: «Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very.»


Nony hariva ny andro, nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianany,


Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny sinagoga tany Kafarnaoma Izy.


Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany»


Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony.


ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no ilay Masin’Andriamanitra.»


I Jesoa namaly azy ireo hoe: «Moa tsy Izaho no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy? nefa demony ny iray aminareo.»


Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe:


dia hoy ny rahalahiny taminy: «Mialà eto Ianao, ka mankanesa any Jodea, mba ho hitan’ny mpianatrao koa ny asa ataonao;


Ka herintaona maninjitra no nanaovany fivoriana tao amin’io Eglizy io, ary vahoaka betsaka no nampianariny. Tao Antiôkia koa no voalohany nandraisan’ny mpianatra ny anarana hoe: Kristianina.


Ary nanapa-kevitra ny mpianatra fa hampitondra fiantrana araka ny ananany, hamonjy ireo havana iray finoana nonina tany Jodea,


Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.


Voafehy ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa afa-manambady izay tiany izy rehefa maty ny lahy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.


Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.


Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.


Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra