Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 11:1 - Baiboly Katolika

Ary rehefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo, dia niala tao Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary rehefa vitan’i Jesosy ny hafatrafatra ho an’ny mpianany roa amby folo lahy dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ireo tanànany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony vitan’i Jesoa ny hafatrafatra ho an’ireo mpianany 12 lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ny tanànan-dry zareo Jiosy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony vitan’i Jesoa ny hafatrafatra ho an’ireo mpianany 12 lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ny tanànan-dry zareo Jiosy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa vitan’i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitori-teny any an-tanànan’ny olona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa vitan'i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan'ny olona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary rehefa vitan’i Jesosy ny hafatrafatra ho an’ny mpianany roa amby folo lahy dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ireo tanànany.

Jereo ny toko



Matio 11:1
19 Rohy Ifampitohizana  

ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.


Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany,


Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.


Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy,


Fa vao mainka nanao letrezana izy ireo nanao hoe: «Mampiodina ny vahoaka Izy, aeliny eran’i Jodea manontolo ny fampianarany, dia hatrany Galilea izay nanombohany ka hatraty.»


Taorian’izany, dia lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra Izy nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy


Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.


hatramin’ny andro nampiakarana Azy, nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Apôstôly izay nofidiny.


dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.


Izy nandidy anay hitory amin’ny vahoaka sy hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty.


Efa fantatrareo, araka ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Tompo,


Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.


Mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin’ny namana rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.


tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika,