Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 10:10 - Baiboly Katolika

na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

aza mitondra kitapom-batsy ho amin’ny dia, na akanjo hisoloana, na kapa, na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika homena izay hivelomany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

aza mitondra kitapom-batsy ho amin’ny dia, na akanjo hisoloana, na kapa, na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika homena izay hivelomany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny.

Jereo ny toko



Matio 10:10
12 Rohy Ifampitohizana  

Hihinana izany amin’ny toerana rehetra ianareo sy ny fianakavianareo, fa karamanareo izany, noho ny raharaha ataonareo ao amin’ny trano lay fihaonana.


Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo.


Ary norarany tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehinkibony, afa-tsy tehina ihany,


Dia namaly izy ka nanao hoe: «Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa.»


Dia hoy Izy taminy: «Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.


Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy ao amin’i Karposy rehefa mankatỳ ianao, ary ny boky koa, fa indrindra ny taratasy hoditra.


Ny tehiny no noraisiny teny an-tanany, vato kilonjy dimy no nofantenany teny amin’ny rian-driaka sy nataony tao an-kitapo fitondran’ny mpiandry ondry, kotra fasiana haza; ary ny antsamotadiny no nataony an-tanana, dia nandroso nanatona an’ilay Filistinina izy.


Ary hoy i Saola tamin’ny mpanompony: «Raha hankao isika, dia inona no hatolotsika ho an-dralehilahy? Lany ity ny vatsy tamin’ny lasàkantsika, ka tsy manan-javatra hatolotra ho an’ny olon’Andriamanitra isika. Fa manana inona isika?»