Maty tanatin’izany andro maro izany ilay mpanjakan’i Ejipta. Ny zanak’i Israely mbola niferin’aina tamin’ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.
Marka 7:34 - Baiboly Katolika Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: «Efeta» izany hoe «misokafa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary niandrandra ny lanitra Izy dia nisento ka niteny taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia! DIEM PROTESTANTA Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe: –Efatà! (izany hoe: «misokafa!»). Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niandrandra ny lanitra i Jesoa sady nisento ary niteny tamin-dralehilahy hoe: –Efatà! (izany hoe: «misokafa!»). Baiboly Protestanta Malagasy ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. Malagasy Bible ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. La Bible en Malgache ary niandrandra ny lanitra Izy dia nisento ka niteny taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia! |
Maty tanatin’izany andro maro izany ilay mpanjakan’i Ejipta. Ny zanak’i Israely mbola niferin’aina tamin’ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.
Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy, olona ory sady zatra ny fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava; natao faneso sy tsy nahoantsika velively.
Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: «Mety Aho, madiova ianao.»
ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe: «Elôỳ, Elôỳ, lamà sabaktany?» izany hoe: «Ry Andriamanitro ô! Ry Andriamanitro ô! Nahoana no dia nilaozanao Aho?»
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: «Talita, komỳ» izany hoe: «Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.»
Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitso-drano. Raha efa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa.
Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy.
Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe: «Ahoana no itadiavan’ity taranaka ity famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana ity taranaka ity.»
Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: «Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.»
Nony nahita azy nitomany i Jesoa sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa, dia nandevy ny fony ary nientana iray ihany ny tenany rehetra.
Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa, ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana, izay zohy norakofana vato.
Dia noesoriny ny vato, ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe: «Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao.
Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanao hoe: Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,
ary nanao taminy hoe: «Ry Enea, hanasitrana anao i Jesoa Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandrianao.» Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.
Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: «Ry Tabità, mitsangàna.» Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.