Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 4:28 - Baiboly Katolika

fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ny tany dia manome vokatra ho azy: Voalohany dia misy tahony, avy eo salohiny, ary farany dia salohy feno vary.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa mamokatra fotsiny amin’izao ny tany: tahony aloha, dia salohiny maitso, ary farany dia voany matoy eny amin’ny salohiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa mamokatra fotsiny amin’izao ny tany: tahony aloha, dia salohiny maitso, ary farany dia voany matoy eny amin’ny salohiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ny tany dia manome vokatra ho azy: Voalohany dia misy tahony, avy eo salohiny, ary farany dia salohy feno vary.

Jereo ny toko



Marka 4:28
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary nampanirin’i Iaveh Andriamanitra tamin’ny tany izao hazo rehetra mahatehijery sady fihinana isan-karazany izao, sy ny hazon’aina tao afovoan’ny saha, ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.


Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.


Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.


Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro:


Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny.


«Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy, toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.»


Rehefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala an’i Iaveh isika. Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona toy ny fara orana manamando ny tany.


Nony naniry ny vary ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy.


ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny;


Ary rehefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay, satria tonga ny taom-pijinjana.»


sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.


ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,