Efa toy ny divay voatsentsina ny foko, dia tahaka ny siny hoditra feno divay mila hipoaka.
Marka 2:22 - Baiboly Katolika Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany dia hahatriatra ny siny hoditra ny divay ka samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no hatao ao anaty siny hoditra vaovao. DIEM PROTESTANTA –Toy izany koa, tsy misy olona mitahiry divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tranainy; raha izany, dia ho rotiky ny divay ny siny hoditra ka hafoy ny divay mbamin’ny siny hoditra. Fa siny hoditra vaovao no fitahirizana divay vaovao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Toy izany koa, tsy misy olona mitahiry divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tranainy; raha izany, dia ho rotiky ny divay ny siny hoditra ka hafoy ny divay mbamin’ny siny hoditra. Fa siny hoditra vaovao no fitahirizana divay vaovao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao. Malagasy Bible Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao. La Bible en Malgache Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany dia hahatriatra ny siny hoditra ny divay ka samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no hatao ao anaty siny hoditra vaovao. |
Efa toy ny divay voatsentsina ny foko, dia tahaka ny siny hoditra feno divay mila hipoaka.
Fa efa tahaka ny siny hoditra mitanina amin’ny setroka aho, nefa tsy mba manadino ny lalànao.
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba; fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.»
Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny triatra.
Indray sabata raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,
Mbola vao ireto siny hoditra fasiana divay ireto no nofenoinay azy, nefa he, rovitra izy ankehitriny, ary ny lamba aman-kapanay dia mihatonta, fa lavitra dia lavitra ny dia nalehanay.
dia nanao hafetsena. Niainga handeha izy ka nitondra vatsy ho eny an-dalana; lasàka tonta sy siny hoditra fasian-divay efa rovitra sy mizaitra no nataony teo ambonin’ny ampondrany,