Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 2:22 - DIEM PROTESTANTA

22 –Toy izany koa, tsy misy olona mitahiry divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tranainy; raha izany, dia ho rotiky ny divay ny siny hoditra ka hafoy ny divay mbamin’ny siny hoditra. Fa siny hoditra vaovao no fitahirizana divay vaovao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany dia hahatriatra ny siny hoditra ny divay ka samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no hatao ao anaty siny hoditra vaovao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 –Toy izany koa, tsy misy olona mitahiry divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tranainy; raha izany, dia ho rotiky ny divay ny siny hoditra ka hafoy ny divay mbamin’ny siny hoditra. Fa siny hoditra vaovao no fitahirizana divay vaovao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany dia hahatriatra ny siny hoditra ny divay ka samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no hatao ao anaty siny hoditra vaovao.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 2:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Mamorivory toa iotrehan-divay ny ato anatiko ka tahaka ny siny hoditra vaovao efa ho triatra.


Ny foko manontolo anie hifikitra amin’ny lalànanao, dia tsy ho rakotry ny henatra mihitsy aho!


Zary *siny hoditra mainan’ny setroka aho, kanefa tsy hadinoko ny lalànanao.


–Tsy mba siny hoditra tranainy no itahirizana divay vaovao; fa raha izany, dia ho rotika ny siny hoditra; ka ny divay ho raraka, ny siny hoditra hafoy. Fa siny hoditra vaovao no itahirizana divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.


–Tsy misy olona manampina fitafiana tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa raha izany, dia handrirotra ny fitafiana tonta ilay tapa-damba vaovao izay natampina, ary dia mainka koa hitatra ny rovitra.


Raha nandeha namaky tanimbary tamin’ny andro sabata ry i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany.


Jereonareo ireto siny hoditra e! Mbola vaovao izy ireo raha nofenoinay divay nefa ankehitriny efa triatra! Ireto lambanay sy kapanay koa dia efa tonta noho ny halaviran’ny lalana nalehanay.


dia nanapa-kevitra hampiasa hafetsena. Nanainga nitondra vatsy izy rehetra ka kitapo tonta sy siny hoditra tonta sady misy triatra voatampintampina no nalainy ka natainginy tamin’ny borikiny;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra