Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe: «Fa hatao hoe Nazareanina izy.»
Marka 14:67 - Baiboly Katolika Nony nahita an’i Piera namindro izy, dia nijery azy, ka nanao taminy hoe: «Ianao koa naman’i Jesoa Nazareanina.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony nahita an’i Petera namindro izy dia nijery azy ary niteny hoe: Ianao koa dia niaraka tamin’Ilay Nazareana atao hoe Jesosy. DIEM PROTESTANTA Nahita an’i Petera namindro teo ravehivavy, dia nijery azy tsara ka nanao hoe: –Ianao koa niaraka tamin’ilay Jesoa avy any Nazareta iny? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahita an’i Petera namindro teo ravehivavy, dia nijery azy tsara ka nanao hoe: –Ianao koa niaraka tamin’ilay Jesoa avy any Nazareta iny? Baiboly Protestanta Malagasy ary nony nahita an’i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’i Jesosy avy any Nazareta. Malagasy Bible ary nony nahita an'i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta. La Bible en Malgache Nony nahita an’i Petera namindro izy dia nijery azy ary niteny hoe: Ianao koa dia niaraka tamin’Ilay Nazareana atao hoe Jesosy. |
Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe: «Fa hatao hoe Nazareanina izy.»
nanao hoe: «Mifampaninona izahay sy ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.»
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso Izy nanao hoe: «Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.»
I Piera kosa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona, dia niara-nipetraka tamin’ny mpanompo teo anilan’ny afo, sy namindro.
Nangatsiaka ny andro, ka nipetraka namindro teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera.
Ary nanao soratra i Pilaty napetany teo an-dohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vakiny: «Jesoa avy any Nazareta mpanjakan’ny Jody.»
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.