Nony nivoaka handeha Izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»
Marka 14:14 - Baiboly Katolika Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‹Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?› Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro? DIEM PROTESTANTA ary ilazao ny tompon’izay trano hidirany hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra: aiza, hono, izay efitrano hiarahako mihinana ny sakafo Paska amin’ny mpianatro?» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary ilazao ny tompon’izay trano hidirany hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra: aiza, hono, izay efitrano hiarahako mihinana ny sakafo Paska amin’ny mpianatro?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro? Malagasy Bible Ary lazao amin'ny tompon'ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro? La Bible en Malgache Ary lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ny Mpampianatra: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro? |
Nony nivoaka handeha Izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»
Ary raha misy manao aminareo hoe: ‹Ahoana no anaovanareo izao?› valio hoe: ‹Misy ilàn’ny Tompo azy›, dia halefany hoentina atỳ miaraka amin’izay izy.»
Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: «Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy.
Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo ka ao no anamboary ho antsika.»
dia lazao amin’ny tompon-trano hoe: ‹Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hihinanako ny Paka miaraka amin’ny mpianatro?›
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe: «Ao ny Tompo, ka miantso anao Izy.»
Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa Aho.
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.