Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany, ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.
Marka 13:24 - Baiboly Katolika «Fa amin’izany andro izany, rehefa afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany, dia ho tonga maizina ny masoandro ary tsy hanome ny fahazavany ny volana, DIEM PROTESTANTA –Fa amin’ireo andro ireo, raha vao afaka izany fijaliana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Fa amin’ireo andro ireo, raha vao afaka izany fijaliana izany, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, Baiboly Protestanta Malagasy Fa amin’izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, Malagasy Bible Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, La Bible en Malgache Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany, dia ho tonga maizina ny masoandro ary tsy hanome ny fahazavany ny volana, |
Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany, ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.
Noho izany ny tany misaona, ary ny lanitra any ambony mihamainty, satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany, ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony.
Amin’ny hamonoako anao, hotakonako ny lanitra, ary hohamaiziniko ny kintana, ny masoandro hosaronako rahona; ny volana, tsy handefa intsony ny fahazavany.
Eo anoloan’izy io, mihorohoro ny tany, mihozongozona ny lanitra, mihamaizina ny masoandro amam-bolana, ary mihamaloka ny kintana.
Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny Andron’ny Tompo, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra?
Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;