Nisy vehivavy mora mangoraka, nefa tanany no nahandro ny zanany dia nataony hanina izany, tamin’ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.
Marka 13:17 - Baiboly Katolika Loza ny hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Loza ny hahazo ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany! DIEM PROTESTANTA Loza no hanjo ny bevohòka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Loza no hanjo ny bevohòka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! Malagasy Bible Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! La Bible en Malgache Loza ny hahazo ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany! |
Nisy vehivavy mora mangoraka, nefa tanany no nahandro ny zanany dia nataony hanina izany, tamin’ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.
Omeo azy, Iaveh ô! ...Inona no homenao azy?... Omeo azy ny kibo momba, sy ny nono ritra.
ka dia niteny taminy hoe: «Renao va izay lazain’ireo?» «Eny, hoy i Jesoa, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe: Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera?»
Loza no hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’ity firenena ity:
fa indro ho avy ny andro hanaovana hoe: ‹Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoana.›