ny tananao hanafaka amin’ny olombelona, dia amin’ny olon’izao tontolo izao izay mahazo ny anjarany amin’ny fiainana ankehitriny, izay fenoinao harena ny kibony; sy vokisanao anaka, ary mamela ho an’ny zafiny ny ambim-bavany.
Marka 10:24 - Baiboly Katolika Nony gaga tamin’izany teniny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: «Sarotra, anaka, ny hidiran’ny miankina amin’ny harena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia gaga tamin’ny teniny ny mpianatra. Fa hoy indray Jesosy taminy: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra! DIEM PROTESTANTA Gaga ny mpianatra noho izany teniny izany, kanefa dia mbola namerina ny teniny indray i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Sarotra mihitsy, anaka, ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Gaga ny mpianatra noho izany teniny izany, kanefa dia mbola namerina ny teniny indray i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Sarotra mihitsy, anaka, ny miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny matoky ny harena amin’ny fanjakan’Andriamanitra! Malagasy Bible Ary ny mpianatra dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! La Bible en Malgache Dia gaga tamin’ny teniny ny mpianatra. Fa hoy indray Jesosy taminy: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra! |
ny tananao hanafaka amin’ny olombelona, dia amin’ny olon’izao tontolo izao izay mahazo ny anjarany amin’ny fiainana ankehitriny, izay fenoinao harena ny kibony; sy vokisanao anaka, ary mamela ho an’ny zafiny ny ambim-bavany.
ka indro Andriamanitra hanongana anao mandrakizay kosa; hosamboriny sy hotsoahany avy eo an-dainao ianao, dia hofongorany eo amin’ny tanin’ny velona. - Selà
Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.
Te hanara-maso izay zava-mandalo va ianao? fa maniry elatra ny harena, ka misidina ho eny an-danitra, toy ny voromahery.
Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha: Ny ananany saina sy ahalalany Ahy. Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po, sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany, fa izany no ankasitrahiko - teny marin’i Iaveh. -
Loza ho an’izay manangon-karena tsy an-drariny ho an’ny taranany, hanaovany amin’ny avo dia avo ny akaniny, mba handosirany tsy ho tratry ny loza!
Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh; holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka, ny mponina rehetra amin’ny tany.
Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: «Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?»
Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: «Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.»
Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: «Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra!»
Ny Farisianina izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso Azy.
«Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha no lazaiko aminareo koa ankehitriny.
Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Manan-kanina va ianareo, anaka?» Dia hoy ny navaliny Azy: «Tsia.»
Anaka, aminareo aho dia mijaly hoatra ny mihetsi-jaza indray, mandra-pahary an’i Kristy ao anatinareo.
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;
Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.
Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Ianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, hahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza.