Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Malakia 2:6 - Baiboly Katolika Ny lalàn’ny fahamarinana no teo am-bavany; ny ratsy tsy hita teo amin’ny molony; niara-nandeha tamiko tamim-piadanana amam-pahitsiana izy; ary nampiala olona betsaka tamin’ny ratsy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny lalànan’ny fahamarinana no teo am-bavany ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony; tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no niverina niala tamin’ny heloka. DIEM PROTESTANTA Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin’ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin’ny faharatsiana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin’ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin’ny faharatsiana. Baiboly Protestanta Malagasy Ny lalàn’ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ny molony; tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ny heloka. Malagasy Bible Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. La Bible en Malgache Ny lalànan’ny fahamarinana no teo am-bavany ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony; tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no niverina niala tamin’ny heloka. |
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Izao no tantaran’i Nôe: Lehilahy marina i Nôe, nanao ny rariny teo amin’ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Nôe.
Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy: fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana,
Raha nanatrika ny fisainako izy, dia ny teniko ho nambarany tamin’ny vahoakako; ka ho namerina azy hiala amin’ny lalan-dratsiny izy, sy amin’ny faharatsian’ny ataony.
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianina ho any aminy izy ireo nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao, ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona anao ny olona; satria tsy mizaha tavan’olona ianao.
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?»
Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.
Ary toy izao no fanontanian’ireo olona ireo Azy: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra araka ny hitsiny ianao ka tsy mizaha tavan’olona, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina:
mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy.
I Jakôba, ampianariny ny fitsipikao, ary i Israely ny lalànao. Manolotra ny emboka manitra eo amin’ny vavoronao izy, sy ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtelinao.
Ny amin’i Levì dia hoy izy: «Ny Orimanao sy ny Tomimanao dia amin’ny olonao masina, izay nozahanao toetra tao Masà izay nifamalianao tao amin’ny ranon’i Meribà,
izay nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: Tsy nahita azy ireo aho, izay tsy nahalala ny rahalahiny na nahafantatra na inona na inona momba ny zanany, fa nankatò ny teninao izy, ary nitana ny fanekenao.