Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 6:5 - Baiboly Katolika

Hovelomina tsy havela ho faty ny afo eo ambonin’ny ôtely. Isa-maraina ny mpisorona no hampirehitra ny kitay hazo eo, dia handahatra ny sorona dorana eo amboniny, sy handoro ny saboran’ny sorom-pihavanana hanetona eo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny afo eo ambonin’ny alitara dia hirehitra ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; halahany eo amboniny ny fanatitra dorana manontolo ka hodorany ho fofona eo amboniny ny jaboran’ny fanati-pihavanana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Harehitra tsy avela ho faty ny afo eo ambonin’ny alitara, fa hisy kitay hazo hatohoky ny mpisorona eo isa-maraina; dia halahany eo ambonin’ireo kitay ireo ny sorona dorana manontolo ary hodorany hanetona eo koa ny tavin-kenan’ny sorom-pihavanana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Harehitra tsy avela ho faty ny afo eo ambonin’ny alitara, fa hisy kitay hazo hatohoky ny mpisorona eo isa-maraina; dia halahany eo ambonin’ireo kitay ireo ny sorona dorana manontolo ary hodorany hanetona eo koa ny tavin-kenan’ny sorom-pihavanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny afo eo ambonin’ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny saboran’ny fanati-pihavanana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny afo eo ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny afo eo ambonin’ny alitara dia hirehitra ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; halahany eo amboniny ny fanatitra dorana manontolo ka hodorany ho fofona eo amboniny ny jaboran’ny fanati-pihavanana.

Jereo ny toko



Levitikosy 6:5
16 Rohy Ifampitohizana  

ary ilay ondrivavy honerany efatra heny, noho izy nahavita an’izany sy tsy nanana antra.»


Nanao filokana izahay mpisorona, Levita, vahoaka, ny amin’ny hanaterana ny kitay hazo, mba samy hitondra izany ao an-tranon’ny Andriamanitsika, isam-pianakaviana araka ny anjara fotoany avy, amin’ny fotoana voaraikitra, isan-taona, mba harehitra eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitsika, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna.


«Raha misy olona mangalatra omby na zanak’ondry, ka mamono izany na mivarotra, dia honerany omby dimy ny omby iray ary zanak’ondry efatra ny zanak’ondry iray.»


ary raha mbola tratra velona eo an-tanany izay nangalariny, na omby na ampondra na ondry, dia honerany avo sasaka».


«Raha misy nametra-bola na fanaka hotahirizin’ny namany, ka nangalarin’ny sasany tao an-tranon’ity namany izany: raha hita ny nangalatra dia hanonitra avo sasaka,


Na inona na inona zavatra hifandirana, na omby na ampondra na fitafiana, na zavatra inona na zavatra inona very, ka lazain’ny olona hoe: Izy indrindra ity, dia hoentina eo anatrehan’Andriamanitra ny tenin’izy roa tonta, ka izay hoheloin’Andriamanitra dia hanonitra avo sasaka ho an’ny namany.»


Eo no handoroan’i Aarôna ny emboka; isa-maraina no handoroany azy, rehefa mamboatra ny lalampy izy;


Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan’ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany?


Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;


fa mamerina ny natao antoka, mamerina izay nangalariny, manaraka ny lalàna mahavelona, ary tsy manao ratsy akory; dia ho velona marina tokoa izy, tsy ho faty!


Ary izay tokony ho anjaran’ny fitoerana masina ka notanany, dia haveriny mitongoa ny ampahadiminy, ka homeny ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy amin’ny ondralahy natolony ho sorona fanonerana; ka dia ho voavela ny otany.


Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe: «Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy.»


ary inty aho, ataovy tenin’ny vavolombelona ny amiko eto anatrehan’i Iaveh sy ny voahosony: ombin’iza no mba nalaiko ary ampondran’iza no mba nalaiko? Zovy no mba nanaovako tsy an-drariny, ary iza no nampahoriko? Zovy no nandraisako kolikoly, mba hodiako tsy mahita azy? Fa honerako aminareo izany».