Levitikosy 6:5 - DIEM PROTESTANTA5 Harehitra tsy avela ho faty ny afo eo ambonin’ny alitara, fa hisy kitay hazo hatohoky ny mpisorona eo isa-maraina; dia halahany eo ambonin’ireo kitay ireo ny sorona dorana manontolo ary hodorany hanetona eo koa ny tavin-kenan’ny sorom-pihavanana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Ary ny afo eo ambonin’ny alitara dia hirehitra ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; halahany eo amboniny ny fanatitra dorana manontolo ka hodorany ho fofona eo amboniny ny jaboran’ny fanati-pihavanana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Harehitra tsy avela ho faty ny afo eo ambonin’ny alitara, fa hisy kitay hazo hatohoky ny mpisorona eo isa-maraina; dia halahany eo ambonin’ireo kitay ireo ny sorona dorana manontolo ary hodorany hanetona eo koa ny tavin-kenan’ny sorom-pihavanana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika5 Hovelomina tsy havela ho faty ny afo eo ambonin’ny ôtely. Isa-maraina ny mpisorona no hampirehitra ny kitay hazo eo, dia handahatra ny sorona dorana eo amboniny, sy handoro ny saboran’ny sorom-pihavanana hanetona eo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Ary ny afo eo ambonin’ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny saboran’ny fanati-pihavanana. Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Ary ny afo eo ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana. Jereo ny toko |
Nanao antsapaka izahay mpisorona sy levita ary sarambabem-bahoaka ny amin’ny hifandimbiasana hanatitra kitay hazo ho ao an-tranon’Andriamanitray, isam-pianakaviana amin’ny fotoanandro manandrify; isan-taona, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna, no hitondranay an’izany kitay izany mba handorana ny sorona eo ambonin’ny alitaran’ny TOMPO Andriamanitray.